GOVERNEMANTA: NOESORINA TAMIN’NY TOERANY NY MINISITRY NY ANGOVO, ATOA VONJY ANDRIAMANGA

Nivoaka tamin’ny filankevitry ny ministra alina, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny fanesorana ny ministry ny Angovo, sy ny rano, ary ny Akoranafo, Vonjy Andriamanga. Ny ministry ny paositra sy ny fifandraisandavitra, Ramarolahy Christian no hisahana vonjimaika io toerana io. Ity fanesorana ity, izay tolokevitra avy amin’ny Praiministra Ntsay Christian, mandritra izao krizy sosialy sedrain’ny mponina izao, eo amin’ny famatsiana solika. Etsy ankilan’izay, neken’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra ihany koa ny fametraham-pialan’ny lehiben’ny Ofisim-pirenena momba ny solika, Rajaonarivelo Laurent, omaly maraina.

Raha tsiahivina, efa tao anatin’ny herinandro maromaro izay,  tsy ampy ny famatsiana solika teto manerana ny Nosy. Voalaza fa tsy fahatongavan’ny sambo no olana.
Manoloana izany, nisy ny fivoriana notarihin’ny Filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ny kaompania, mpanafatra solika, ka nosaziana handoa onitra 120 tapitrisa Ariarya tamin’ny fanjakana ny telo tamin’izy ireo: Shell, Total, LPSA. Mbola nilaza ihany koa ny Filoha, fa tsy maintsy misy ny tolobidy iraisam-pirenena manomboka izao amin’ny fanafarana solika. Tsy maintsy mandray anjara amin’izay avokoa na ireo orinasa lehibe efa mpanao izany aza.