CAN 2021: ABEL ANICET NO KAPITENY HITARIKA NY BAREA

Sary nalaina tao amin’ny tranokalam-pifandraisana: http://www.madagascar-football.com/blog/

Tafiditra amin’ny fanomanana ny lalao hihaonan’i Madagasikara amin’i Niger sy Ethopie, amin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho Tompondakan’i Afrika 2021 dia efa nivoaka ny lisitry ny mpilalao, handrafitra ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny fampivondronana.

Niova kosa anefa ny kapiteny, hitarika ny ekipa-pirenena Malagasy, i Abel Anicet, indray no voatendry hisahana izany. Mbola mandrafitra ny ekipa kosa i Faneva Ima, kapiteny teo aloha. Mikasika ity farany, dia tsy mbola voafaritra mazava aza na ho mpilalao tompon-toerana izany na tsia.

Ireo mandrafitra ny Barea:

Mpanafika:  Faneva Ima – Carolus – Njiva – Paulin – Gladysson

Afovoan’ny Kianja : Amada – Ilaimaharitra – Dax – Jean Yves – Anicet – Caloin – Bolida – Rayan – Baggio

Mpiandry vodilaharana: Bapasy – Fontaine – Métanire – Morel – Théodin – Mario Bakary- Mombris.

Mpiandry tsatokazo : Melvin – Nina – Joma

Ny faha-11 novambra ho avy izao no hanomboka ny fampivondronana ny mpilalao. Efa eto Madagasikara rahateo ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, Nicolas Dupuis.