TAGNAMARO: NANAPOROFOAN’NY MALAGASY NY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Hetsika iray, novolavolain’ny Minisiteran’ny Fifandraisana sy ny Kolontsaina ny « TAGNAMARO ». Natomboka omaly tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny hopitalin’ny Sinoa , ao Bejofo, Mahitsy. Nitarika ny hetsika, Ratoa Minisitra Lalatiana Andriantongarivo Rakotondrazafy sy ny mpiara miasa aminy akaiky.

Samy nanatanteraka izany avokoa ny olo-tsotra, fikambanana, mpiasam-panjakana, sy ny maro hafa. Maroloko ihany koa ny hetsika natao. Nisy ny nanao fanamboaran-dalana, nanangana barazy, nanadio toera-piasana.

« Fanehoana ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankian’ny samy malagasy no tanjona », araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra.

56196572_851634451849915_3494615267265216512_o
Tagnamaro tao amin’ny biraon’ny Kaompania Zandarimariam-pirenena Betroka