RUGBY: VONONA NY HANDRESY NY NIGERIANINA NY XV MAKIS -MADAGASIKARA

Vonona tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy, ny VX Makis de Madagasikara, ny hiatrika ny ekipam-pirenena nigerianina, rahampitso.  Lalao fifaninanana, hidirana anatin’ny ekipa 12, hiady ny lalao isam-bondrona amin’ny fiadiana ny Tompondakan’i Afrika, ny taona 2020 izy ity. Efa vonona koa, ny ekipa-pirenena nigerianina, na dia mandalo olana kely amin’ny lamina aza izy ireo, hatramin’ny anio.

Amin’ny enina ora maraina dia efa hisokatra ny vavahady, ho an’ny mpanohana.  Tsiahivina, nitondra ny najara birikiny ho fanohanana ny mpilalao ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Noraisiny manokana teny amin’ny birao fiasany ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena sy ny mpanazatra Philippe Carolin, ary ny mpikambana ao amin’ny federasiona.