RAJAONARIMAMPIANINA HERY : TSY HANOHANA KANDIDA AMIN’NY FIHODINANA FAHAROA

Nivoaka amin’ny fahanginana n’y Filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery, izao hariva izao. Nivoitra tamin’izany ny antsoy avo nataony amin’ny vahoaka malagasy, mba hanome lanja ny fahendrena sy hanaja ny soa toavina.

Hipetraka ho raiamandreny ihany koa izy, tsy hanohana kandida amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy izao.

Tsy adinony ny notanisa ireo asa vitany nandritra ny dimy taona. Mangataka ny hanohizana izay efa najoro izy.

Ankoatra ny kandida laharana 12, dia nanao fanambarana ihany koa ny laharana 33 androany. Nilaza ny pasitera Mailhol fa tsy hanohana olona ihany koa izy ireo.

Ny kandida Fanirisoa Ernaivo kosa, nisafidy ny hiara-dalana amin’ny laharana 25, Ravalomanana Marc.