Eric « Fou Hehy » : Mila ny fanampian’ny mpankafy

Tsy salama, efa ho herinandro maromaro izao i Éric, mpilalao hatsiaka ao amin’ny tarika « Fou Hehy ». Manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly HJRA, Ampefiloha izy ankehitriny. Noho ny sara-pitsaboana midangana, misy antso tolo-tanana ataon’ny fianakaviana amin’ny mpankafy sy ny malala-tanana rehetra.

Omaly, anisan’ny nitondra ny Anjara birikiny ny Filoham-pirenena mivady tamin’ny alalan’ny vaomiera miandraikitra ny sosialy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.  » Fandraisana anjara amin’ny maha olom-pirenena izao », hoy ny mpitondra tenin’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery.

Ho an’izay  mila vaovao fanampiny dia afaka miantso ireto laharana ireto: 034 82 318 15034 12 535 67.

(Sary nindramina)