MASOIVOHO INDE: EFA TONGA SAMBO LEHIBE NITONDRA FANAMPIANA HO AN’IREO TRABOINA SY VEDETY MIISA ENINA

 Andry Rakotonirainy

Tsy niandry ela fa vao naheno ny antso fitondrana malagasy ny governemanta Indiana dia namaly avy hatrany niaraka amin’ny fanampiana. Nihantsona ao amin’ny seranan-tsambo omaly  ny sambo lehibe nitondra ny fanampiana ho an’ny traboina vokatrin’ny rotsak’orana nisesy teto amintsika. Nitatitra ny masoivoho ny Inde, Abhay Kumar, nandritra valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety androany tetsy Tsaralalana, fa zava-dehibe ny vonjy aina tsy eo ara-tsakafo ihany fa indrindra ny fanafody sy ny fitsaboana ny traboina.

Vary , fitaovana fitsaboana, bodofotsy ary fanafody no nentin’ity sambo lehibe ity , ankoatra ny sambo izay mbola ho avy. Manomboka rahampitso, efa hanomboka ny fitsinjarana izany izay iarahana amin’ny ekipan’ny BNGRC, hanampy amin’ny fanampian-tosika ihany koa ireo tantsambo miisa 60 . Hisy ekipa mpitsabo, hijery toem-pahasalaman’ny traboina tsirairay. Porofo hatrany izany, hoy ny masoivoho ny Inde, Abhay Kumar fa manao tanan-kavia sy havanana ny firenena roa tonta.