ANDRY RAJOELINA : HO VAHANA AMIN’NY TETIKASA MAHARITRA NY KERE ANY ATSIMO

Nanamarina ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, fa tsy vitan’ny vahaolana vonjimaika intsony, ny Kere any atsimon’ny Nosy. Noho izany, hisy ny tetikasa maharitra iarahan’ny fitondrana malagasy sy ny mpiaramiombon’antoka satria efa ela nijaliana ny mponina. Hanomboka ny volana avrily izao ny asa fanamboarana ny fantsona vaventy hitarihana rano izay mahatratra 225 kilaometra.

Ankoatra izay, hanomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an’Ihosy sy Taolagnaro, na ny Lalam-pirenena faha-13.

Tsiahivina fa nitsidika ny faritra Atsimon’ny Nosy, omaly ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina.