CCI IVATO : MAMPAHAFANTATRA NY « IEM SÉCURITÉ » I ANDRY RAJOELINA

Tanterahina ety amin’ny CCI IVATO, izao folakandro izao ny fampahafantarana ny fandaharanasan’ity kandida atolotra ny TGV.

Anisan’ny mivoitra amin’izany ny ady atao amin’ny asan-dahalo sy ny karazan-keloka manembantsembana ny filaminana sy ny fandriampahalemana.

Misy ireo manam-pahaizana manokana momba izany, tonga manao famelabelaran-kevitra. Anisan’ireny ny jeneraly Franck Reinier, izay nisahana ny vondron-tafika Frantsay taty Amin’ny fari-dranomasimbe Indiana. Eo koa ny tale teo alohan’ny Shin BET, israelianina, Assaf Yariv.