FITORIANA FILAZANTSARA: MANKALAZA NY FAHA15 TAONANY NY GAEFI

 

Andry Rakotonirainy
Mankalaza ny faha-15 taona nijoroany n’y antokom-pihira Groupe Artistique Evangelique Fenoantsa Itaosy ( GAEFI). Ho fanamarihana izany, hisy ny fampisehoana hatao Etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, amin’ny alakamisy ho avy izao. Hiarahana amin’ny tarika TDL sy ny pasitera Jocelyn Ranjaharison izany.

Misy mpikambana 60 ny GAEFI ankehitriny, avy amin’ny antokom-pinoana samihafa. Ny taona 2003 no nanorenan’Atoa Randriamalala Rivo ny tarika. Ny fitoriana ny filazantsara no antom-pisiany.