SINEMA MALAGASY : NIVOAKA ENY AMIN’NY PLAZA NY HORONAN-TSARY MPANENDAKA

Sary sy soratra: Rakotonirainy Andry

Ny 29 jona sy ny 01 jolay no haseho voalohany ao amin’ny efitrano Plaza Ampefiloha ilay horonan-tsary mihetsika izay nitondra ny lohateny « MPANENDAKA », vokarin’ny tranom-pamokarana Madagascar Island Puctures.   Natao nifanaraka ny zava-misy iainan’ny mponina ankehitriny ny tantara.

Araka ny fanazavana nomen’i René FULGENCE, mpilalao fototra, milofo hatrany ny tenany sy ny mpilalao ny mikaroka ny tsara indrindra eo amin’ny famoronana ny sarimihetsika. Tsy mora anefa izany noho ny asa ratsin’ny mpanao hosoka izay sady manimba ny asan’ny mpilalao sarimihetsika no maha-fantiatoka ny mpamorona. Manentana ny mpankafy ny sarimihetsika Malagasy ny tenany mba hanjifa ny vokatra teny izy hatrany.

mpanendaka