SABOTSY NAMEHANA :OLONA DIMY VOASAMBOTRA NANAFIKA MPANAO BIRIKY

Andry Rakotonirainy

Mpanao biriky telo lahy no maty, iray hafa naratra, izay no vokatry ny fanafihana natao azy ireo ny alahady 23 jona lasa teo, tao amin’ny  Fokontany Ambohidrano andrefana. Vao avy nandray ny tambin-karamany mitentina 400 000 Ariary izy ireo tamin’io andro io. very nandritra ny fanafihana vaokoa ny vola rehetra tao an-trano.

Rehefa natao ny fanadihadiana, niarahan’ny tomponandraikitry ny filaminana ao amin’ny fokontany sy ny brigadin’ny zandarimariam-pirenena ao Sabotsy Namehana, olona dimy no voasambotra. Izy ireo no ahiana ho tompon’antoka tamin’ilay asa ratsy.

Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo, naiditra am-ponja vonjy maika.