HELIKOPTERA NIANJERA: AVOTRA AVOKOA NY MPANDEHA TAO ANATINY

Tsy nisy ny aina nafoy, avotra soa aman-dreny ny mpandeha dimy tao anatin’ilay helikoptera nianjera tany Tsaratanana, androany. Lehiben’ny Faritra, lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary, miaramila mirahalahy, niampy ny mpanamory no tao anatiny. Ity farany no tena voa mafy, efa nentina notsaboina aty an-drenivohitra.

Handeha hamita iraka, hanao fitiliana ny toerana mety notazomana ilay mpitsabo mpanampy nisy naka an-keriny tao Tsaratanana efa andro maromaro izao, ity helikoptera ity no tra-doza. Ny iray tamin’ny mpandeha no afaka niantso vonjy, ka nanamora ny famonjena. Nandefa helikoptera iray avy hatrany ny Filohan’ny Repoblika Andry Nirina Rajoelina, hanampy amin’ny fitaterana ny maratra. Mbola nanome helikoptera iray koa ny Praiminisitra Ntsay Christian.

Nisaotra izao fihetsika izao rahateo ny minisitry ny Fiarovana, ny Jly Léon Richard Rakotonirina sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Richard Ravalomanana.