JIRAMA: 350 TAPITRISA ARIARY AMETRAHANA JIRO AMIN’NY LALANA ROCADE

Soratra: Andry Rakotonirainy 

Anisan’ny lalana mamaha olana lehibe ho an’ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina ny lalana Rocade, Ivato sy Soavimasoandro. Manomboka misava ny fitohanana lavareny eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra eny Talatamaty. Ny indrokely anefa, mbola tsy azo hivezivezena amin’ny alina izy iny noho ny tsy fisian’ny jiro. Olana iray tsy maintsy sorohana ny mikasika ny tsy fandriampahelemana, aterak’izany.

Nisy araka izany ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny.ministera ny angovo sy ny minisiteran’ny asa vaventy, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Vontoatin’izany, ny fametrahana ny jiro hanazava ny lalana mirefy 11 km amin’iny lalam-baovao. Mitentina  350 tapitrisa ariary no ho enti-manana ho fanatanterahana ny asa.