GOVERNEMANTA : NIARA-NIVAVAKA TAMIN’NY FILOHA RAJOELINA AMIN’NY FANOMBOHANA NY ASA

Fotoam-pivavahana lehibe, no nisantaran’ny mpikambana ao amin’ny governemanta ny fotoam-piasany. Notanterahana teny anaty Rova ny fitrotroana amim-bavaka azy ireo.

Ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina no nitarika izany, niaraka tamin’ny teo anivon’ny FFKM.

Ankoatra ny fiaraha-mivavaka, nisy ihany koa ny fijerena ny lapan’i Manjakamiadana. Nambaran’ny filoha fa ezahina ho vita mialoha ny fankalazana ny faha-60 taona nahazoana ny Fahaleovantenan’i Madagasikara ny Fanarenana. Haverina ao an-dapa ihany koa ny vakoka rehetra sisa tsy may.