FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA : HIVOAKA RAHAMPITSO NY VOKATRA VONJIMAIKA AVY CENI

Vita soa aman-tsara androany ny fanisam-bato nataon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Rahampitso amin’ny 4 Ora folakandro no hamoaka ny vokatra vonjimaika ity farany.

Raha ny antontan’isa farany nivoaka dia mitarika ny kandida laharana faha-13 Rajoelina Andry Nirina. Nahazo ny isam-bato 2586629 tamin’ny vato manankery  izy, 55,66%. 44,34% kosa ho an’ny kandida TIM, Ravalomanana Marc 2060951.

Efa voavory eto Antananarivo avokoa ny fitehirizana an-tsoratra avy amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 24842, manerana ny Nosy, nahitana mpifidy 3909699.

Nahatratra 48,11% ny taham-pahavitrihana tamin’izao fihodinana faharoa izao. Nahatratra 41141 ny vato fotsy, 78459 kosa ny vato maty.