FIFIDIANANA: HANAO RODOBE IZAO MARAINA IZAO NY KANDIDA MITSIPIKA NY DATIN’NY 7 NOVAMBRA

Anio maraina, manomboka amin’ny 10 Ora no mifamotoana eny anoloan’ny kianjaben’i Mahamasina ireo kandida manohitra ny fifidiana hatao amin’ny 7 novambra ho avy izao. Hanatanteraka ny rodobe hihazo ny andrimpanjakana izy ireo, hanatitra ny fehi-kevitra tapaka teny Ivato, omaly.

Raha tsiahivina, miisa 26 ny kandida izay mangataka ny hanemorana ny datim-pifidianana noho ny fahitany lesoka amin’ny fanomanana, araka ny fanambaran’izy ireo.

Manome 48 Ora, nanomboka omaly hariva ity vondron’ny kandida ity mba hanokafan’ny fanjakana ny lisi-pifidianana. Rehefa tsy tontosa izay, hisy ny hetsika hafa mety hitohy amin’ny fiainana an-dalambe.

Ankoatra izay, mitaky ny famoahana an’i Pety Rakotoniaina ihany koa izy ireo. Ity mpanao politika ity, izay naiditra am-ponja ao Antanimora efa ho herinandro izao, noho ny fanohintohinana ny fiandrianam-panjakana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka, afaka ny vesatra nambaran’ny fitsarana.