OHF : NIJORO MANOHANA KANDIDA MAHAFALY OLIVIER SOLONANDRASANA.

 Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy

Ny Olona Hasin’ny Firenena na ny OHF antoko politika dia sampana iray ao amin’ny Olona Hasin’y Tany OHT. Araka ny maha antoko azy dia handray anjara amin’ny fifidiana ry zareo.  Nanambaran’ny filohany,  Émile Ratefinanahary fa manohana ny kandida Mahafaly Solonandrasana Olivier ry zareo. Resy lahatra ny antoko fa ny olona mendrika hitantana an’I Madagasikara  izy:   » olona efa niomana sy manana traikefa ary tena hanatanteraka ny hetahetam- bahoaka, tsy hamitaka vahoaka fa  hanala azy amin’izao fahantrana lalina izao « . hoy izy. Mijoro ny OHF  » Mba tsy voafitaka indray ny vahoaka Malagasy ». Nisafidy  ny kandida laharana faha 22 Solonandrasana Olivier Mahafaly ny antoko satria  nahafenony ny fepetra takian’izy ireo ity kandida ity.