BCMM : HANATANTERAKA FOARA NY VATOSOA

Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy

Ny 23 ka hatramin’ny 27 Oktobra izao no hatao eny amin’ny Mining Business Center, Mamory Ivato , ny foaran’ny vatosoa   » Madagascar Gem Jewellery Fair ». Androany no nampafantatra izany, tao amin’ny  hôtel Colbert ny Talata 25 Septambra ny mpikarakara. Nahitana ny BCMM ( Bureau Du cadastre Minier de Madagascar ) sy ny IGM ( Institut de Gemmologie de Madagascar), ary ny minisitera ny harena an- kibon’ny tany.

Anisan’ny voalohany ity hetsika ity ka ezahana ho tohizana, hoy ny Tale Jeneraly ny minisitera   Rakotoson Éric. Tanjona ny fifanatonana akaiky eo amin’ny Malagasy mpitrandraka sy  mpikirakira  vatosoa.