ZANA-DRANAVALONA: EFA VONONA AMIN’NY FANKALAZANA NY TAOM-BAOVAO MALAGASY

Soratra: Rakotonirainy Andry

 » Araka ny fifanarahana teo amin’ireo Ampanjaka niara- nivory, teto an-drenivohitra dia isakin’ny tsinam- bolana, amin’ny volana Septembra no hankalazana ny taom- baovao, iraisan’ny Malagasy manerana ny Nosy », hoy ny filohan’ny fikambanana ny zanan-dRanavalona, Atoa Ravelonarivo Alain Eddie nandritra ny fampafatarana ny fanamarihana ny taom- baovao amin’ ity taona ity.

Hatao any  Fianarantsoa ny 9 – 10 – 11 Septembra izao ny Fisantarana. mialoha izay anefa hatao any Anosimanjaka ny taom-baovao eto Imerina. Hotanterahina ny 14 -15-16 Jona izany.   Hisy ny arendrina lehibe, sy ny  fandroana ankoatra ny Fitsofan- drano ny vahoaka hialan’ny ratsy rehetra.  hisy ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana sy ny gasy hifandonan’ny   tarika  Emilson tsy maka lagy avy any Arivonimamo sy ry zareo avy eny Sahavato Ambohimandroso.