Nizotra tamim-pilaminana ny dian’ny Depiote sy ny vahoaka teny amin’ny HCC

Araka ny Andininy faha 167 ao amin’ny Lalàm-panorenana, herintaona aorian’ny nanaovan’ny Filoha fianianana no hatsangana ny fitsarana ambony afaka hitsara ny mpitondra ambony eto amin’ny Firenena (Haute Cour de Justice). Hatreto anefa dia tsy mbola mijoro izany. Vokatr’izay, nisy androany ny fanaterana  taratasy fangatahana ny fametram-pialan’ny Filoha, nataon’ny Dépioté 73, notronin’ny vahoaka marobe teny amin’ny HCC.
Toy ny nahazatra, hatramin’ny sabotsy, nifamotoana teny Amin’ny Parvis, Analakely  ny rehetra nialoha ny fitanjozorana nakany amin’ny lapan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana.

IMG_0214

Ankoatra azy 73 mianadahy, voalaza fa efa misy koa ny depiote manohana fitondrana vonona hiara-dia amin’izao hetsi-bahoaka izao.  » Tsy noraisina avy hatrany anefa izy ireo noho ny fisian’ny dina nifanarahan’izy 73 mianadahy. Takiana ny  famerenan’izay nandray vola any amin’ny nakany izany vao azo ekena ny fidirana ao anatin’ny vondron’ny Solombavam-bahoanan’ny fanovana », hoy NY depioten’i Sakaraha, Tinoka Roberto.