LOZA VOAJANAHARY : HITA ALINA NY RAZANA FAHA-17 TOTOTRY NY TANY TAO ANDOHALO

Hita alina tokony ho tamin’ny 11 Ora ny razana faha-17, tototry ny tany, vokatry ny fianjerena vato nitarika fihotsahan’ny tany teny Tsimialonjafy, ny sabotsy lasa teo.

Dimy andro sy dimy Alina no lany nanaovany fikarohana. Nifanome tanana tamin’izany ny mpamonjy voina, ny tafika malagasy, ny scouts, ny mpiasan’ny  FID, sy olon-tsotra maro.

Manoloana iny loza iny, manao antso avo ny mpamonjy voina mba hijeren’ny mponina mialoha ny toerana hanorenan-trano. Hisorohana ny tahaka izao.