BETROKA: EFA VOAFEHIN’NY ZANDARIMARIA NY TSY FANDRIAMPAHALEMANA SAINGY MILA VAHAOLANA SOSIALY MAHARITRA

  • Efa azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena, tarihin’ny kaomandà Rafanomezana Roby Denisiel, amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ny Betroka.
  • Mifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana, ireo dahalo resy lahatra.
  • Miandrandra sekoly, hopitaly, lalana, fiangonana ny mponin’Andridry
70392083_2065966836836490_4494145781581742080_n
Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaompanian’ny zandariamariam-pirenena Betroka ( Sary : Théophile Norbert)

“ Tsy toy ny taloha, efa voafehy ny fitrandroana ny filaminana aty Betroka. Mihena izany, efa miova ny mponina amin’ny toerana heverina ho foiben’ny asan-dahalo. Resy lahatra, noho ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena eto anivon’ny kaompania izy ireo. Zava-dehibe ny fifandresen-dahatra fa tsy ny fampiasan-kery.”, hoy Atoa Mouhamed Iliassa, antsoina hoe Mamedy! izay ben’ny tanana lefitra ao amin’ny kaominina Tsarahitso, distrikan’i Betroka.

Fanambarana izay nohamafisin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana Randrianasolo Nicolas, nandritra ny resaka nifanaovana tamin’ny ny faran’ny volana aogositra lasa teo, teny amin’ny biraon’ny Antenimieram-pirenena, Tsimbazaza. “ Marina fa tsy tonga lafatra 100% ny fomba fiasan’ny mpitandro filaminana, saingy zava-dehibe ny ezaka vitan’ny kaompania, tarihin’ny Kaomandà Rôby ankehitriny. Iaraha-mahita ny fomba fiasany, izay midina ifotony, mijery ny fototrolana. Miezaka miaina ny zava-misy marina fa tsy mihinana am-bolony na manao an-jambany ny asany araka ny baiko, omen’olona tsy mahalala akory ny zava-misy marina aty an-toerana. Zava-dehibe ho anay ny fidiran’ny zandary tany Andriry ny volana jolay lasa teo. Tsy nisy fifandonana, fa zandary 12 lahy monja dia afaka namakivaky tany. Resy lahatra ny mponina, vonona ny hiara-miasa.”, hoy ity olomboafidy ity.

Ny mpanao gazety any an-toerana, izay nanaovana fanadihadiana dia manamafy izay fifehezana ny filaminana sy fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betroka izay. “ Raha ny zavatra iainana aty dia mivainga ny vokatra tsara azon’ny zandariamariam-pirenena. Eo ny ezaka atao amin’ny alalan’ny fanentanana sy hetsika manokana, fa tena antoky ny fahombiazana koa anefa ny fampitaovana avy amin’ny fitondrana foibe sy ny fibaikoana.”, hoy ny loharanom-baovao iray, izay tsy tononona anarana noho ny fanajana ny rafitra misy eo amin’ny toeram-piasany.

Tsiahivina fa mifanome tanana amin’ny kaompania ao Betroka amin’ny fanaovana ny asa, ry zareo ao amin’ny Vondrona manokana miady amin’ny dahalo na ny Unité Specialisé Anti-Dahalo na ny Usad, izay manana ny foibeny ao Mahabo. Ity vondrona ity, izay tsy mijanona amin’ny fanohanana amin’ny hetsika fandravana dahalo, fa mandray anjara ihany koa amin’ny fanentanana ny mponina, hisorohana mialoha ny fifandonana  sy hisoroana ny asan-dahalo mihitsy. Amin’izao fotoana izao, manao fizaham-pahasalamana, mandray anjara amin’ny fanaovana Tagnamaro, mahakasika ny filan’ny mponina ny ao amin’ny Usad.

IMG_20190816_141336
Anisan’ny kaompania iray, heverina fa tokony hampiana misimisy kokoa amin’ny fampitaovana sy ny olona hiasa i Betroka, na eo aza ny USAD indrindra amin’ny fiara tsy mataho-dalana.( Sary Riana Raymond)

Mila hamafisina ny  ezaka

Tsy mbola ampy anefa ny asa vitan’ny mpitandro filaminana misy ankehitriny, raha ny fidinana ifotony natao no jerena. Tsy resy lahatra 100 % ny mponina any an-toerana amin’ny fiovana, tian’ny fanjakana ho tratrarina dia ny tsy fisian’ny asan-dahalo mihitsy. Misy ampahany amin’ny mponina no manohitra sy tsy manaraka ny lamina. Tranga iray, niteraka resabe tany an-toerana, mbola hanaovan’ny mpiaro ny zon’olombelona fanadihadiana ny tao amin’ny Fokontany Soahazo, kaominina Ivahona, izay niseho ny volana 28 jona 2019.

Ny volana septambra lasa teo no nidina tany an-toerana sy naka am-bavany ny zandary, sy ny vondron’olona samihafa, ny avy amin’ny komity manokana miaro ny zon’olombelona. Nisy ihany koa ny avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay voalaza fa niara-dalana tamin’izy ireo. Eo ampiandrasana ny tatitra ofisialy mahakasika izay.

IMG_20190704_150618
Trano isan’ny may, nandritra ny hetsika manokana ( Sary Riana Raymond)

Raha tsiahivina, nisy olon-tsotra dimy maty nandritra ny fandravana ny kizo nataon’ny zandary avy ao amin’ny kaompania sy ny Usad.  Ity toerana ity, izay efa nikoizana ny tanjaky ny tambanjotra miara-miasa amin’izy ireo ka tsy nety vaky nandritra ny taona maro. Ilay tanàna rahateo, raha ny fahitana azy tany an-toerana dia tena stratejika. Tsy tafiditra vahiny, tsy maintsy hilana mpitari-dalana ary mila fahazoan-dalana manokana amin’ny tompon-tanàna. Saro-piaro sy tsy matoky olona ny mponina any an-toerana noho ny zava-misy.  Raha ny loharanom-baovao iray, misy amin’ny havana akaiky ireo mponina ao Soahazo, monina ao Betroka no mbola mitazona basy Kalachnikov iray, ankehitriny, saingy mbola miriaria izy io mandraka izao.

Tsindriana etoana kosa anefa, fa mitsipaka ny fiampangana azy ireo ho dahalo ny mponina ao Soahazo. Nisy ny fanadihadiana natao tany an-toerana, izay nanamelohan’ny solontenan’izy ireo ( izay vehivavy sy vatan-dehilahy vitsivitsy) ny fihetsiky ny zandary ho fanosihosena ny zo fototra maha olona azy ireo. Nanameloka ny famonoana ny havany nandritra ny fandravana ny tanana izy ireo  ary mitaky fanadihadiana.

IMG_20190704_150224            IMG_20190704_150958 Fitaovam-piadiana sy nampiasaina nandritra ny fandravana ny kizon’i Soahazo

Mila mbola hamafisina araka izany ny ezaka fameren-kasina ny filaminana any amin’ny distrika. Mila ny fitoviam-pijery amin’ny mpisehatra rehetra izany. Mila mifanohana sy miara-miasa ny mpiasam-panjakana nametrahana ny iraka, sy ny vahoaka miaina any ifotony.

Ady tombontsoa

Ankoatra ny tao Soahazo, maro ny tranga izay hifandrohitana any an-toerana, satria tombontsoan’olona maro no ho voantohitohina raha milamina ny distrikan’i Betroka. “ Anisan’ny faritra mpamokatra rongony, sy mpamatsy ny renivohitra ny any an-toerana. Ny tsy fisian’ny filaminana dia manamora ny fivezivezen’ny mpanao trafika noho ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny samy olon-dratsy. Torak’izany ny fitrandrahana tsy ara-dalana ny harena an-kibon’ny tany, manamora ny gaboraraka rehefa mikorontana ny tanàna”, hoy ny manamboninahitra iray, eo anivon’ny poliism-pirenena, zanaky ny faritra miasa aty an-drenivohitra, niangavy ny tsy ho tononina, ho fanajana ny rafitra misy eo amin’ny toeram-piasany.  Atoa Ranefoarinjaka Clark Célestin, filohan’ny vondron’ny Firaisamonim-pirenena ao Betroka, dia manamafy izay. “ Olana ny fisian’ny tambajotra, ny dahalo ambony latabatra ka maha-voasaringotra ny mpiasam-panjakana aty aminay, toy ny fitsarana sy ny zandary. Mbola maro ny ezaka tsy maintsy hatao araka izany. Matanjakana ny fikambanan’olon-dratsy aty, izay misy ny mpiaro azy ireo”, hoy izy nanazava.

IMG_20190818_094956
Sahan-drongony any Andriry ( Sary Riana Raymond)

Tsy dahalo avokoa

Nanomboka ny taona 2010 no nanaovana fanadihadiana lalina, mikasika ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny distrikan’i Betroka, indrindra ny any amin’ny faritra heverina ho fieren’ny dahalo sy fanafenana omby halatra na ny any Andriry izany. Nandritra ny fikarohana, no nahalalana fa mizara roa mazava tsara ny mponina any. Andaniny, misy tokoa ny dahalo mahery vaika, ankilany kosa ny olon-tsotra tsy afa-manoatra manaraka ny lalan’ny mafy dia ny olon-dratsy izany.  Ireto farany izay nilaza nandritra ny fandraisam-peo azy ireo, fa lasibatra indroa miantoana, voalohany, miaritra ny tsindry ataon’ny malaso. “ Matahotra ny ainay izahay ka tsy maintsy manaiky izay ataon’ny mpiara-monina. Tany lavitra andriana rahateo ny aty aminay, tsy misy mpiaro. Aleo dia manaraka ny onjany”, hoy ny raim-pianakaviana iray nanaovana fanadihadiana tany Morafeno, kaominina Mahabo, distrikan’i Betroka. Faharoan’izay, rehefa misy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana, miaritra ny fampiasan-kery ihany koa izy ireo. “Ny vazaha (zandary) tsy mahafantatra hoe, misy olo-marina anie ao an-tanàna. Mazava ho azy fa matahotra izahay, misitrika rehefa misy zandary dia atambatra anaty kitapo iray amin’ny olon-dratsy”, hoy ity raim-pianakaviana ity.

IMG_20190817_065224
Zava-dehibe ho an’ny mponina ao Andriry ny fifanomezan-tanana amin’ny manampahefana.(Sary: Riana Raymond)

Ireto sokajin’olona ireto, izay vonona ny hifanome tanana amin’ny mpitandro filaminana sy ireo dahalo resy lahatra ka hiala amin’ny fanaony mahazatra. Izy ireo no hitarika ny kalôny, hamongotra ifotony, ity karazana asan-dahalo, izay nambarana fa mampikatso ny fampandrosoana ny faritra.

Vahaolana sosialy

Manoloana ireo toe-javatra ireo, manao antso avo amin’ny fanjakana, ny mponina any Andriry mba hijery manokana azy ireo. Indrindra ny amin’ny lafiny sosialy, toy ny fampianarana sy ny fahasalamana. Resy lahatra ny raiamandreny any Andriry fa fositra tsy mampivelatra ny ankizy sy ny tanora, ny tsy fahafahan’izy ireo mianatra. “ Ny faniriana dia misy tokoa, zaranay aza mianatra ny zanakay. Izany no mitondra fahazavana aty amin’ny tanananay, izany no hahafoana ny asan-jiolahy aty aminay. Mitady sekoly, hopitaly, eny hatramin’ny fiangonana izahay”, hoy ny lehiben’ny fokontany avy ao Mahabo, noresahana.

Ratsiafoy Andriamandinaly, lefitra faharoan’ny kaominina ambonivohitra Betroka, koa manamafy fa “ Maro  ny olona  tsy nahita fianarana firy noho ny antony samihafa ka manaonao fahatany aty aminay, mirona amin’ny asan-jiolahy. Mila vahaolana maharitra avy amin’ny fanjakana izany”, hoy izy.

 Fanambarana nohamafisin’ny lefitry ny lehiben’ny distrika ao Betroka, Raharivelona Fabian Thomas: “ Disadisan’ny fiarahamonina noho ny tsy fahalalana,  sy ny fahantrana lalina mianjady amin’ny mponina ato anatin’ny faritra no mahatonga io fanafihana sy halatra omby, mitarika tsy filaminana, anatin’ny faritra. Tena mila vahaolana mahakasika ny fiainana andavanandron’ny mponina izahay, araka izany”, hoy ity manapahefana ity.

Ny depiote Randrianasolo Nicolas kosa, raha vao naharay ny fanamarihana, nilaza tamin’ny resaka nifanaovana taminy, fa hatokana manokana ho an’Andriry avokoa, ny tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ifotony na ny Fonds pour le Développement Local  ( FDL) taona 2020, izay izy no mitantana azy.

nicolas
Anisan’ny mbola hitiavan’ny mponin’i Betroka ny depiote Randrianasolo Nicolas, ny fahazarany manampy ny mponina tahaka izao ( Sary facebook- Depiote Nicolas)