FITAMPOHA 2018: AMPANJAKA TELO NITARIKA NY FOMBAN-DRAZANA

Soratra sy sary: Rakotovao Judith
Tontosa ihany ny fanompoambe natao tao amin’ny Doany Miarinarivo Tsararano Mahajanga,omaly. Tombo ny Fitampoha an’Andriamisara efa-dahy taona 2018. Mpanompo sy mpandala ny fomban-drazana sakalava ary mpizaha tany maro no tonga nanotrona. Ampanjakan’ny Boeny miisa telo no niara-nitarika ny Fitampoha: ny Ampanjakavavy Soamody, ny Ampanjaka Jean Noel ary Ampanjaka Rasamimanana. Nanatrika tao koa ireo mpitondra fanjakana sy mpitandro filaminana eto Mahajanga. Rehefa hiditra ny valamena, mbola nitohy ny fifanolanana teo amin’ny mpanara-dia an’Ampanjaka Soamody sy Rasamimanana. Nosakanan’ny mpiambina ny valamena tsy hiditra izy ireo rehefa tafiditra tany amin’ny Zomba avokoa ireo Ampanjaka sy ny mpitondra fanjakana. Tsiahivina fa nisy ny fifampitoraham-bato sy fifanolanana teo amin’ny roa tonta teny amin’ny Doany Andriamisara, ny herinandro mialohan’ny Fitampoha ka nahatonga ny prefet eto Mahajanga namoaka naoty ho tsy azo ivezivezen’ny olona ankoatry ny mpiambina ny valamena tany amin’ny Doany. Foana anefa io naoty roa andro taorian’izay rehefa nanao fangatahana tany amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny tompon’andraikitra teny amin’ny doany, ary nisy ny marimaritra iraisana ny amin’ny hisian’ny filaminana mandritra ny fanompoambe. Ady tombontsoa ny zava-misy mampifanolana eny amin’ny Doany Miarinarivo, isan-taona eto Mahajanga. Samy milaza ho taranaka Ampanjaka mandimby fitondrana avokoa izy ireo ka mihahenjana ny disadisa rehefa miha akaiky ny fotoanan’ny fanompoambe. Fomban-drazana mampiavaka sy mampiseho ny kolontsaina sakalava eto Boeny ny fanompoambe. Ny zoma 27 jolay no famaranana amin’ny alalan’ny rebika, fanehoana an’ireo dihy sy antsa ary fomba sakalava.