PASITERA MAILHOL : 1 TAPITRISA NY SONIA VOAANGONA HITAKIANA NY ILES ÉPARSES

Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy

Teny amin’ny kianja annexe Mahamasina no nihaona tamin’ny mponin’Antananarivo ny Kandida faha 34, ny pasitera Mailhol, ny Asabotsy 22 Septambra teo. Antony fihaonana tamin’ny vahoaka ny fanamafisana ny fitakiana efa natao , mahakasika ny famerenana ny Nosy eparsa.

Efa mahatratra 1 tapitrisa ny Sonia voahangona nanerana ny Nosy . Nilaza moa ny kandida Mailhol fa tsy hitsahatra ny fitakiana satria an’I Malagasy ny tany, na dia mihamafy aza ny fandrahonana mahazo. Nitatitra rahateo ny tenany fa tokony hatsahatra ny fandrahonana atao aminy sy mpiara- dia aminy. Ho hisy rahateo ny fametrahana fitoriana ( Plainte contre X) ataon’izy ireo. Laharam-pamehana hoan’ny Pasitera Mailhol raha lany: ny fandriampahalemana , ady amin’ny ny fiakaran’ny vidin’entana fampiasaina andavanandro, indrindra ny famerana ny fitotonganan’ny vola Malagasy, ary ny famerenana ny tany nalain’ny vahiny .