FRANTSA: HANAMAFY NY FIARAHAMIASA AMIN’I MADAGASIKARA

 Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy
Naneho ny heviny nandritra ny fanatanterahana ny fianianana nataon’ ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA teny Mahamasina, ny Asabotsy 19 janoary lasa teo,  ny solontenan’i Frantsa, iraka manokan’i filoha Emmanuel Macron.
Niavaka iny andro iny, hoy Atoa Jean Baptiste Lemoyne, Sekreteram-panjakana Frantsay eo anivon’ny Ministera misahana an’i Eropa sy ny any ivelany. Ny filoha izay voafidy ara-demokratika no dimbisanny floha vaovao izay voafidy ara-demokratika, hoy hatrany izy .  » Zava-dehibe ireny lahan-tenin’ny filoha Andry Nirina RAJOELINA. Izy rahateo dia nahatsapana ny fanoloran-tenany aminny fahavononana handray andraikitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary tonga amin’ny tanjona kasain’i La Frantsa sy ny Nosy manodidina dia ny hisian’ny fivoarana eto Madagasikara. I Frantsa dia vonona  hanampy an’i Madagasikara amin’ny fiarahamiasa efa nisy hatramin’izay sy ny mbola ho avy . Ny Filoham-pirenena Malagasy rahateo dia naniry ny hisian’izay fivoaran’ny Malagasy izay, indrindra ny lafin’ny angovo sy herinaratra, ary ny fanabeazana.
Ny filankevitra manokana ny Nosy La Reunion Didier Robert anisan’ny niatrika ity lanonana ity koa, mbola nanamafy izany fahavonona hiara-miasa izany.