Randrianamboarina Jean Pierre: Kandida tanora, hanome lanja ny fampandrosoana ifotony

Kandida tanora, manana ny ho aviny eo amin’ny tontolo politika i Randrianamboarina Jean Pierre, filoha mpanorina ny fikambanana Tanora Vonona Mandray Andraikitra na ny TVMA. Nilatsaka ho ben’ny tanana ao amin’ny kaominina Ambatomarina, distrikan’i Manandriana, Faritra Amoron’i Mania. Mitondra ny laharana voalohany ao anatin’ny biletà tokana.  Miompana amin’ny sehatra dimy, mazava tsara ny vinam-piarahamonina, entiny mampandroso ny tanàna izay ho tantanany rahatrizay lany: Ny fambolena, fahasalama, fianarana, famatsiana herinaratra, ary fandriamapahalemana. “ Ireo no ho laharam-pahamenahana, sy tsy azontsika atao ambanin-javatra, raha tiana ny hametraka fampandrosoana mirindra eto Madagasikara. Tsy maintsy hatao avy any ifotony ka miverina any ifotony izany”, hoy izy nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, avy any an-toerana, androany.

72674482_2414899328767771_4665677670053314560_o“ Tsy azo hatao ny manadino ny tanana niaviana. Rehefa vita ny fianarana, heveriko fa zava-dehibe ny fitsinjovana ny tanindrazana nipoirana sy ny Malagasy aty ambanivohitra. Izay indrindra no nanosika ahy, hody sy hilatsaka ben’ny tanana aloha, mba ahafahana mitondra ny anjara biriky”, hoy izy nanazava ny antony nilatsahany.

Marihina fa anisan’ny kandida nilatsaka ho Solombavambahoaka , teto an-drenivohitra tao amin’ny Boriborintany faharoa izy.

Nahafantarana azy, ny fitariahana ny hetsiky ny mpianatra teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo nandritra ny taona maro.