MAHAJANGA: mpianatry ny oniversité maty voatsindron’antsy

 Maty noho ny tsindrona antsy nahazo azy i Jimmy, mpianatry ny oniversite eto Mahajanga, taona fahatelo ao amin’ny sampam-pianarana ho mpitsabo mpitsabo. Nisy nanafika teny amin’ny Bloc administratif Ampisika izy ny harivan’ny alahady 21 oktobra, tokony ho tamin’ny 7 ora, raha ny fanazavan’ny mpianatra namany. Voatsindrona antsy teo amin’ny fony, izay nitarika ny fahafatesany, hoy ny mpitsabo. Mbola noentina teny amin’ny hôpitaly Pzaga eny Androva izy saingy efa tsy tana ny ainy.
Raha ny fitantaran’ny namany, manararaotra ny fisian’ny « connexion wifi » maimaim-poana eny amin’ny bloc administratif i Jimmy, amin’ny fianarana izay ataony. Efa amam-bolana no nanaovany an’izany, ary tsy izy irery fa betsaka ny tanora mitangorona eny rehefa harivariva. Raha ny fahitan’ny namany akaiky an’ity raharaha ity dia nisy nanendaka i Jimmy. Tsy hita manko ny solosaina sy ny findainy. Ary mbola afaka namaly sy nandositra izy, hoy ihany ny fanazavana. Efa niala lavitra ny toerana fanaovany connexion manko no nahitan’ny manodidina azy naratra mafy. Ireto farany no nitondra azy tany amin’ny hôpitaly.
Efa am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha, efa manomboka ny fanadihadiana.