FILANKEVITRY NY MINISITRA: 40,8 MILIARA ARIARY HIANTREHANA NY LOZA VOAJANAHARY

Neken’ny Filankevitry ny Minisitra, omaly, ny  volavolan-dàlana ahafahana mahazo ny famatsiam-bola avy
amin’ny Agence Français de Développement na ny AFD, izay mitentina 10 tapitrisa Euro na 40,8 miliara ariary. Tafiditra amin’ilay tetikasa « Catastrophe Deferred Drawdown Option » izany.

Etsy ankilan’izay, efa miomana hiatrehana ny loza mety hiseho amin’ity taona ity ny eo anivon’ny Biraom-pirenena miady amin’ny loza voajanahary na ny BNGRC. Efa nahazo taratasy filazana avy amin’ny sampandraharaha famantarana ny toetrandro ny BNGRC, amin’ny voina rehetra mety hiseho.  Hisy ny fandalovan’ny oram-baratra sy ny rivo-mahery eto Madagasikara, tratrany izany ny ao Morondava, toliara, Vangaindrano.

Araka ny fanazavana nomen’ny Sekretera mpanatanteraka ny BNGRC, Colonel Elack Olivier Andriakaja, dia nanomboka ny zoma lasa teo ny vanim-potoan’ny orana. Mila mitandrina ny mponina any amin’ny distrika rehetra manerana ny faritra telo eto Madagasikara:  Atsimo Andrefana sy Androy, ary Menabe.  » Tena ilana fitandremana ny mety hisian’ny rano trambo ao Ampanihy andrefana sy Betioka atsimo;Mila fandraisana fepetra  manokana ny mety hitrangana todran-drano amin’ny  tanàna manamorona ny renirano. « , hoy izy.

Manoloana izany, efa nisy fampitana ny vaovao nataon’ny BNGRC niantefa tamin’ny tomponandraikim—panjakana rehetra mba handraisana fepetra nifanandrify amin’izany.

Mahakasika ny vato be eto andrenivohitra ahiana hianjera dia efa tokony ho hisy fepetra raisina momba izany manoloana ny firotsahan’ny orana matetika.