TAFIKA MALAGASY : JENERALY RABENAIVOARIVELO JEAN CLAUDE VOATENDRY HO KOMANDIN’NY RM1

Soratra: Andry Rakotonirainy

Ny Alatsinainy 13 mey 2019 no notanterahana teny amin’ny toby miaramila faritany voalohany etsy Analakely  na ny RM1, ny famidram-pahefana teo amin’ny jeneraly Ramanantsoa Dieu Donne izay nosoloina ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, izay voatendry hitondra ny fibaikoana, indray manomboka izao.

Tamin’ny mpirahalaiana no nanaovana ny famindram-pahefana ka navoitran’ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude fa:   » Manana ny adidy amin’ny fanatanterahana ny Contrat programme ny mpitarika vaovao , izay iarahany amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenana ary mifandraika aminny fitandroana ny fandriampahalemana an-tanadehibe sy ambanivohitra »

Hisy araka izany ny fananganana ny ivo-toerana fifanakalozana ny vaovao ( centre opérationnelle ) eo amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena sy ny faritany miaramila voalohany mba handrindrana ny fandriampahalemana sy fiarovana ny vahoaka amin’ny asa ratsy.

Efa vonona rahateo ny fitaovana, ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude ka hizotra tsy ho ela ny fiofanana . « Marihina fa ny faritany ny miaramila voalohany no fitaratra amin’ny fandrindrana ny fandriampahalemana ka ho mafy ny adidy ary efa vonona hisedra izany ny RM1 mba hisianny filaminana eny ambanivohitra sy an-tanadehibe », hoy hatrany ity lehiben’ny fibaikoana vaovao ity.