SENDIKAN’NY LADOANY: LANY HO FILOHA I HERIZO ANDRIANAVALONA

Soratra Rakotonirainy Andry

Notontosaina ny 26 Aprily 2019, teo ny fifidianana izay filohan’ny SEMPIDOU Sendikan’ny MPiasanny Douanes eo anivon’ny Minisiteran’ny fitantananam-bola sy ny toekarena . Birao fandatsaham-bato miisa 20, no natao nanerana ny Nosy. Mpifidy nisoratra anarana niisa 1225,850 tonga nifidy. Nahatratra  69,38 %, ny taham-pandraisana anjara. Nampafantarina ny Alakamisy 09 mey 2019, teny amin’ny hotely le Pavé ny vokam-pifidianana. Lany ho filoha ny SEMPIDOU tamin’ny isam-bato 850, manome salanisa 94,74%  Atoa Andrianavalona Herizo.

Tonga niatrika ny lanonana ny mpiara-mikambana teo anivon’ny sendika, notronin’ny Sekretera jeneraly ny minisiteran’ny fitantanam-bola sy toekarena ary ny tale jeneraly ny fadintseranana.

Navoitran’ny filohan’ny Sempidou,  Andrianavalona Herizo fa vanim-potoana sarotra no niainan’ny sendika, nandritra ny taona 2018, izay nisian’ny fanakatonam-baravarana mihitsy teo amin’ny minisitra nitantana ny minisitera tamin’izany noho ny fitokonana. Amin’izao fitantanana ny minisitera vaovao izao, maniry ny Sempidou fa hihaino ny sendika ny minisitera. Nangataka ny hamerenana ny tombontsoa ho an’ny mpiasa nitolona izy.