COVID19: MANOLOTRA 500 TAPITRA DOLARA HO AN’IZAO TONTOLO IZAO I ETAZONIA

Riana Raymond

Manoloana ny fihanaky ny aretina Covid19, dia nanolotra vola mitentina 500 tapitrisa dolara ho an’izao tontolo izao i Etazonia. Vola izay entina miady amin’ny fihanaky ny aretina, araka ny fanazavana nomen’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara Pelletier Michael, tamin’ny fanambarana nataony, androany.

Anisan’ny hitondra ny anjara birikiny ho an’i Madagasikara ihany koa ny tenany ka 2,5 tapitrisa dolara izany.  https://web.facebook.com/watch/?v=239984430392543

Marihina fa anisan’ny mpiara-miombon’antoka voalohany amin’i Madagasikara amin’ny resaka fahasalamana ny firenena amerikanina.