CORONAVIRUS: OLONA TELO MITONDRA NY TSIMOKARETINA

Tonga eto Madagasikara ny tsimokaretina COVID19. Misy vehivavy telo no fantatra fa mitondra izany ankehitriny. Izay no vontoatin’ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, izao alina izao. Nambarany fa mpandeha tamin’ny sidina telo farany, nialoha ny fanakatonana ny sisintany izy ireo. Samy avy any Frantsa ihany koa ny olona tratra.

Manolona ny fisian’ny valanaretina eto Madagasikara, dia miantso ny vahoaka malagasy ho tony hatrany ny Filoham-pirenena, ary manome toky fa handray ny fepetra rehetra mifanaraka amin’izany, indrindra amin’ny famerana ny fihanaky ny tsimokaretina.

« Efa vonona isika, misy ny fitaovana sy ny ho enti-manana. mila mailo sy mitandrina avokoa anefa isika rehetra satria saro-pady ary tsy azo atao ambanin-javatra izany », hoy hatrany izy.

Manentana ny tsirairay, mba hifanome tanana amin’ny ady atao ihany ny Filoha Rajoelina Andry.