TRAFIKAN’ANDRAMENA: VOASAMBOTRA NY SAMBO FLYING, MPITATITRA ANTSOKOSOKO NY HAZO

Voasambotra androany ilay Sambo FLYING, malaza amin’ny fitaterana ny bolabola, aondrana antsokosoko avy aty Madagasikara.  

Nandray andraikitra avy hatrany ny manampahefana, notarihin’ny tafika malagasy. Teratany sinoa maromaro no voasambotra. Noho ny fanoherana, nisy sinoa iray naratra. Efa miatrika ny fakana ambavany azy izy ireo.

Tarihina any Toamasina, hanaovana fanadihadiana kosa ilay Sambo.

Marihina fa efa mpamerina heloka izy ity Ary matetika no hifanenjehina noho ny resaka trafika.

Nilaza ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian fa tsy maintsy naka fepetra satria efa hatramin’ny faha-6 hatramin’ny 7 desembra lasa teo no nihaodihaody taty amin’ny fari-dranomasina malagasy i FLYING.  » Raha tsy nahomby ny teti-dratsiny dia niverina izy ireo », hoy hatrany ny fanazavany.

Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rasolofonirina Beni Xavier, dia nanamafy fa tsy azo ekena ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena malagasy.

Tsiahivina fa tany amin’ny 60 km miala an’Antalaha no nahatrarana ity sambo.