KITRA MALAGASY: HISAHANA NY ANDRAIKITRA TALE TEKNIKA I NICOLAS DUPUIS

( Sary nalaina tao amin’ny  FB Tojo Andrianiaina)

Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena Sokajy A , angady nanana sy vy nahitana ny fahombiazan’i Madagasikara tany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na CAN no hisahana ny andraikitry ny tale teknika eo anivon’ny federasiona Malagasy ny baolina kitra. Vita ny fifanarahana nifanaovan’ny filohan’ny federasiona Raoul Rabekoto sy ny tenany. Haharitra efa-taona ny fifanarahana.

Ankoatra ny maha tale teknika azy, mbola voatazona ho mpanazatra ny ekipam-pirenena, efa niara-dalana taminy hatrizay ny tenany.