JEAN OMER BERIZIKY: NIVERINA HO AMBASADAORO MALAGASY ANY AMIN’NY VONDRONA EOROPEANINA

Nivoaka omaly, nandritra ny filankevitry ny ministra, ny fanendrena ireo lehiben’ny masoivohon’i Madagasikara amin’ny firenena efatra. nanamarika iznay ny famerenana an’Atoa, Jeao Omer Beriziky, ho  solotena maharitr’i Madagasikara, ao amin’ny vondrona Eoropeanina. Mbola misahana ny maha ambasadaoro azy eo amin’ny firenena belza ihany koa izy.

Raha tsiahivina, efa nitazona io andraikiny taloha tao amin’ny Vondrona Eoropeanina izay nandritra ny 10 taona mahery, teo anelanelan’ny 1995 – 2006. Nilatsaka ho fidiana Filoham-pirenena koa izy ny taona 2018 saingy tsy lany.

Ankoatra ity praiministry ny tetezamita teo aloha ity, nahazo ny anjara toerany ihany koa Atoa RAJOHNSON Olivier Hugues Rija, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République Française.) ;  Ramatoa Yvette SYLLA, dia voatendry ho Masoivohom-pirenena, misolon-tena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO ao Paris. (Ambassadeur, Déléguée Permanente auprès de Madagascar auprès de l’UNESCO à Paris, France.) ; ary  Atoa Albert Camille VITAL, dia voatendry ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina any amin’ny Repoblikan’i Maorisy (Ambassadeur Extraordinaire et Plénipotentiaire de la République de Madagascar auprès de la République de Maurice.)