Taom-baovao Malagasy : Nankalazaina tamin’ny fomba makotrokotroka

Notanterahana teny Mahamasina, omaly, ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy ho an’ny Hadivory fito sosona. Nosantarana tamin’ny tsimandrimandry izany ny sabotsy  alina, narahana ny fandrehetana ny afo tsy maty mandra-maraina.

Toy ny fety rehetra ny taom-baovao malagasy. Nampiavaka azy kosa  ny fidiovana ny mialoha ny fankalazana. Midika fa ho voasasa avokoa ny ratsy sy ny tsy fifankazahoana eo  amin’ny tsirairay raha nisy. Ny fidiovana dia  famerenana ny fihavanana amin’ny laoniny.

Ankoatra ny fidiovana, nisy ny fanomezana tsodrano avy amin’ny Raiamandreny, tamin’ny alalan’ny fafy rano.

Nosafidiana manokana ny andron’ny  18 Marsa satria noho izy androm-panambinana manokana.

Soratra sy sary: Andry Rakotonirainy