TETIKASA TANAMASOANDRO : ZANDARY 4 SY SIVILY IRAY NARATRA, 4 VOASAMBOTRA TENY AMBOHITRIMANJAKA

Andry Rakotonirainy

Mitohy ny fanoheran’ny mponina ny fametrahana ny tetikasa TanaMasoandro, eny amin’ny lemaky Betsimitatatra sy ny manodidina ny kaominina Ambohitrimanjaka.

Nisy ny savorovoro, niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mponina sy ny mpitandro filaminana, omaly. Vokany, nisy zandary efatra naratra mafy, niampy olon-tsotra iray. olona efatra tamin’ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa voasambotra.

Raha tsiahivina, mitsipaka ny fanotofana ny tanimbariny, hanaovana ireo foto-drafitra mifanaraka amin’ny tanana maoderina tian’ny fanjakana apetraka ny mponina. Efa andro maromaro no nanaovana hetsika, ka misy ny voasambotra izay enjehina ho nanao herisetra sy nanimba fananana iombonana. Manoloana izany, tsy manaiky sy mitaky ny hamoahana ny namany ny mpanao fihetsiketsehana ka izao miafara amin’ny fifampikasiahan-tanana izao.

Mikasika ny omaly manokana, nisy ny fanaparitahana ny olona tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso, sy ny fanaovana tifi-danitra avy amin’ny mpitandro filaminana.

Mbola mitohy ny hetsi-panoherana ataon’ny mponina. Etsy ankilan’izay, manamafy ny fampiharana ny lalàna, manoloana any fandratrana sy fanimban-javatra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.