ORINASA CHOCOLAIT : TSY MANAFATRA RONONO ANY IVELANY INTSONY

 Soratra sy sary : Andry Rakotonirainy
Manamarika ny faha 40 taona amin’ity taona ity ny orin’asa CHOCOLAIT. Ny gargotte tao Besarety no nisatarana ny fankalazana ny Asabotsy 08 Septambra teo. Tsy hijanona hatreo anefa fa mbola hisy fitsidihana amin’ireo faritra samihafa, ho fampafantarana ny vokatra.
Araka ny fanazavana nomen’I Niry Avotra Randrianarivelo tomponandraikitra ara- barotra ny CHOCOLAIT dia misy fiara miasa atao eo amin’ireo mpiompy omby ao Vakinakaratra. Miampy ny fiofanana omen’ny orinasa azy ireo, mba hahazahoana vokatra tsara kalitao. Ankehitriny dia tsy manafatra ny ronono any ivelany intsony ny orinasa CHOCOLAIT fa  efa vitan’ireo mpiompy ao Antsirabe ny mamatsy izany ho an’ny orinasa.