IAVOLOHA : VITA NY FAMINDRAM-PAHEFANA TEO AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA SY HERY RAJAONARIMAMPIANINA

Vita androany teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Filoham-pirenena roa lahy Hery Rajaonarimampianina, filoha teo aloha, sy ny Filoham-pirenena voafidy, Andry Rajoelina.

Feno tanteraka ny fepetra maha filohan’i Madagasikara azy, aorian’ny fihanianana rahampitso antoandro eny amin’ny Kianjan’ny Mahamasina. Mandritra ity lanonana ity no hanomezany toky amin’ny vahoaka malagasy fa ho filoha mendrika sy tompon’andraikitra izy amin’ny Fiarovana ny firenena.

Lanonana izay hatrehin’ny vahiny manankaja maro, avy eto an-toerana sy any ivelany.

Filoham-panjakana enina mianadahy no andrasana éto Madagasikara. Efa Tonga rahateo ny vahiny, toa an’ingahy Nicolas Sarkozy, filoham-pirenena frantsay teo aloha.

Mikasika ny lanonana androany, nilaza ny Filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina, fa zava-dehibe ny fametrahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Nilaza izy fa mbola hanohy ny asa efa nataony ho an’i Madagasikara, ho mariky ny fitiavan-tanindrazana.

Ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao kosa, nisafidy ny tsy naneho hevitra.

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina kosa dia nandray ny asany avy hatrany, nijanona teny Iavoloha, nametrapetraka ny lamin’asany avy hatrany. Tsiahivina fa aingam-pandeha tokoa ny fomba fiasan’Atoa Andry Rajoelina ka ao anatin’ny efatra andro dia hijoro ny governemantany. Rahampitso no hivoaka ny anaran’ny praiminisitra. Raha tsy misy ny fiovana, mialoha ny faran’ny herinandro izao koa dia ho tafapetraka ny lehibe any amin’ny faritra.