LES COLOMBES ASSOCIATION : MANAMAFY NY FANOHANANA NY KANDIDA MANANA VINA SY FOMBA FIJERY LAVITRA, ANDRY RAJOELINA

Mitohy ny fampielezan-kevitra ataon’ny fikambanana « Les Colombes Association », izay mivoy ny fandriampahalemana. Ny kandida laharana faha-13 no niantefan’ny safidin’ny mpikambana.

 » Noho izy manana vina matipaika, manana fomba fijery lavitra mikasika ny fampandrosoana an’i Madagascar, no hisafidiananay azy », hoy ny filohan’ny fikambanana, Randrianarisoa Riana Raymonde.

« Mila Tanora isika, Mila olona mametraka fanamby sy sahy mamaky lay ny fanovana tena izy isika, Andry Rajoelina no heverinay fa mahafeno fepetra », hoy hatriny izy.

Anisan’ny maharesy lahatra ny fikambanana koa ny tetikasany mikasika ny fandriampahalemana, izay mifanojo indrindra amin’ny fotokevitra ijoroan’ny Les Colombes Association.

 » Mafy ny mianjady amin’ny vahoaka malagasy, indrindra ny mponina any ambanivohitra. Mijaly ny tantsaha amin’ny hafitsoky ny dahalo. Mila fandraisana fepetra matotra sy hentitra izay ka niantefan’ny safidy amin’Atoa Andry Rajoelina. », Hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana Randrianarisoa Riana Raymonde.

Anio dia hanao faradoboka miaraka amin’ny Mapar sy TGV avy ety amin’ny faritra Marovatana ny ekipan’ny LCA.

Tsiahivina, fa nisy nandritra ny herinandro lasa teo ny fifitetezam-paritra nataon’ny fikambanana teny amin’ny kaominina Anosiala, Mahita, Ampanotokana. Nisy koa ny fifandresen-dahatra  » Porte-à-porte », teny amin’ny faritra Itaosy sy Nanisana, ankoatra nataon’ny ekipa tany Vavatenina sy Antalaha.