EDBM: « i-GUIDE » NIVOAKA NY TARI-DALANA HO AN’NY MPAMPIASA VOLA VAHINY

Soratra sy Sary : Andry Rakotonirainy

Maro ireo mpandraharaha vahiny any ivelany no vonona hampiasa ny volany eto Madagasikara , sarotra ho azy ireny anefa izany raha toa tsy fantany ny soritra hampiasana izay volany eto izay. Ho fanamafisana izay fahafantaran’ny mpampiasa vola any ivelany ny sehatr’asa fandraharahana ataony, namokatra ny « iGUIDE », ny Economic Development Board of Madagascar na ny EDBM.

Notontosaina omaly, teny amin’ny hotely Carlton, Anosy ny fampahafantarana izany  tari-dalana  “ iGUIDE” izany. Marihina fa torolalana elektronika ny i-GUIDE, izay azo atao tsara ny mampiasa azy amin’ny tambajotran-tserasera. Natao mifanaraka amin’ireo efa misy any amin’ny firenen-dehibe ihany koa. 

Nambaran’ny talen’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ao amin’ny EDBM, Johary Rajosefa, fa vokatra niarahan’ny vaomiera ara-toekaren’ny Firenena Mikambana ho an’ny Afrika (UNECA) sy ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra sy fampandrosoana (CNUCED) ary ny EDBM novolavolaina ny i-GUIDE.

 » Tanjona  ny ahafantaran’ny  mpampiasa vola any ivelany mialoha ny sehatr’asa fandraharahana tian’izy ireo hampiasana ny volany. Afaka mahazo tombony amin’iGUIDE ihany koa ny mpandraharaha eto an-toerana. », hoy izy.