MAHAJANGA: MIADY FAHEFANA NY AMPAJAKA

Soratra: Judith RAKOTOVAO

Herinandro mialohan’ny fanompoambe eto Mahajanga, mihamafy ny disadisa.
Raikitra ny sakoroka teo amin’ny ekipan’ny Ampanjaka Soamody sy Rasamimanana ny tolakandron’ny alatsinainy 16 jolay, teny amin’ny Doany Miarinarivo Andriamisara, Efadahy eto Mahajanga. Nifampitora-bato ny andaniny sy ny ankilany ka lehilahy iray no naratra mafy. Tonga hametraka ny Ampanjaka Rasamimanana ny mpanara-dia azy tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavan’ny ekipan’ny Ampanjaka Soamody izay ao an-toerana, hanakorontana no antondian’ny tariky ny Ampanjaka Rasamimanana. Hetsika efa nomanin’ny mpomba ny Ampanjaka Soamody iny korontana iny, hoy kosa ny avy amin’ny Ampanjaka Rasamimanana. Ity farany no tena Ampanjaka ara-dalàna, taranaka Ampanjaka tena izy tokony hitondra ny Doany Andriamisara eto Mahajanga fa tsy i Soamody, hoy ihany ny fanazavan’izy ireo. Samy nilaza ny hametraka fitoriana sy hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny roa tonta noho ity korontana ity. Tsy hisy arak’izany ny Fanompoambe eto Mahajanga amin’ny alatsinainy 23 jolay izao, fa ny hanafoana sy hanakorontana an’io, mba tsy hahamaro ny mpanompo sy mpanotrona no tanjon’ny ekipan’i Rasamimanana, hoy ny Fahatelo. Nanao ny asany ny mpitandro filaminana, nisy ny olona voasambotra nandritra ny sakoroka. Namoaka naoty ihany koa ny fileovan’i Mahajanga fa tsy azo ivezivezen’ny olona ankoatry ny mpiandry varavarana ny eny amin’ny Doany Miarinarivo , mba ho fitandroana ny filaminana, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Marihana fa tontosa ny marainan’io alatsinainy 16 jolay io ny lanonana fanokafam-baravaranan’ny Doany, ho fanomanana ny fanompoambe ka tsy mikatona raha tsy tapitra ny rebika, ny zoma aorian’ny fanompoambe. Miseho isan-taona ny olan’ny Ampanjaka eto Boeny rehefa fanomanana ny Fanompoambe toy izao. Raha ny fantatra, volabe sy tombontsoa maro no mihodina ao, anton’ny disadisa. Nambaran’ny Fahatelo izay ekipan’ny Ampanjaka Soamody fa miady an’io tombontsoa io no mahatonga ny ekipa ankilany manao ny fombarehetra ts hahatanteraka ny fanompoambe.