BNGRC: NANDRAY NY TOERANY NY TALE JENERALY VAOVAO ELACK OLIVIER

Soratra Andry Rakotonirainy

Notontosaina teny Antanimora foibe iasan’ny BNGRC ( Bureau National de la Gestion de Risque et catastrophe ) ny zoma lasa teo, famindram-pahefana teo amin’ny tale jeneralin’ity sampan’asa ity.  Ny kolonely Elack Olivier Andriakaja  indray no hisahana izany andraikitra izany manomboka izao. Izy  izay efa nitantana ny BNGRC ihany nandritra ny fitondrana tetezamita . Ankoatra ireo mpiara-miasa vahiny izay efa manampy an’ Madagasikara,  nanotrona iny fotoana ny mpiara-miasa eo anivon’ny minisitera mpiara-miombon’antoka,  notarihanny minisitry ny ati-tany Tinarivelo Razafimahefa .

Navoitra ny sekretera mpanatanteraka ny BNGRC Colonel Elack Olivier Andriakaja  fa  » Ilaintsika ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka. Ho laharam-pahamehana ny fampitokisana ao anatin’izay. Hapetraka ny fitantanana ny mangaraharaha, ialana amin’ny fanodikodinana ny vola sy ny fitaovan’ny BNGRC amin’ny zavatra hafa. « ; hoy izy.

Fanambin’ity mpitantana vaovaon’ny BNGRC ity ny hiasa amin-kitsipo sy fitiavana.