SOAMANDRAKIZAY: TSY MANAIKY NY FANTIANTOKA NAHAZO AZY NY MPIVAROTRA SAKAFO

Nahatsapa ho voafitaka sy matiantoka tanteraka iteo mpivarotra sakafo teny Soamandrakizay, nohon’ny hafitsokin’ny mpikarakara nifanaraka tamin’izy reo dia ny AB EVENT.

Nampita ny fitarainany, tamin’ny mpanao gazety, ireto mpanao sakafo  ireto taorian’ny nadaozan’ny Ray Masina an’i Madagasikara. Nitatitra ny mpisolovava fa tsy araka ny fifampiresahana sy nifanarahana ny zava-nisy .

Nasain’ny AB EVENT nanomana sakafo 4000, maraina sy atoandro ary hariva ny mpivarotra sakafo. Saingy nivadika ho fatiantoka izany, tsy nizotra araka nilana azy ny rano ny jiro. Mainka  namotika ny sakafon’ny mpivarotra ny vovoka.   » ny AB EVENT anefa dia nampanantena fa hisy fanafody manokana avy Inde hararaka amin’ny tany mba tsy hamovoka saingy mifanohitra amin’izay no nitranga », hoy ireto mpivarotra.

 » Manoloana izany,  hiakatra amin’ny dingana ambony izahay. Ny hofan’ny trano lafo izay mitentina 600.000 Ariary, efa voaloa avokoa saingy tsy tafaverina », hoy hatrany izy ireo nitaraina.

Nanamarika ny mpivarotra fa tompon’andarikitra feno amin’izao fatiantoka izaa ny AB Event, fa tsy misy idiran’ny fiangonana katolika sy ny Fiadidiana ny Repoblika akory ny zava-misy ankehitriny.