POLITIKA: NODIMANDRY ATOA MANANDAFY RAKOTONIRINA

Nindaosin’ny fahafatesana, androany maraina teo amin’ny faha-81 Atoa Manandafy Rakotonirina, mpanorina ny Antoko MFM.

Ny foto-kevitra somary mafampana no anisan’ny nahafantatrana azy sy ny antoko MFM izay naoriny ny taona 1971. anisan’ny nitarika ny hetsika nataon’ny mpianatra sy ny vahoaka izany ny taona 1972. voasambotra ary anisan’ny napetraka tamin’ny toerana voatokana sy arahimaso.

Anisan’ny nahalalana azy farany ny fiarahany tamin’ny ankolafy Ravalomanana Marc. Anisan’ny voasambotra sy naiditra am-ponja tamin’ny androan’ny tetezamita.

Nanamarika azy ny fanaovana politika tanatin’ny fanoherana matetika. Olona tsy nanaiky lembenana rahateo tamin’ny endri-pamoretana izy.