IAVOLOHA : HOTANTERAHANA NY ZOMA HO AVY IZAO NY FIFAMINDRAM-PAHEFANA AMIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA SY ATOA RIVO RAKOTOVAO

Handray ny fahefana ny zoma ho avy izao, eny amin’ny lapam-panjakana, Iavoloha, ny Filoham-pirenena vaovao Andry Nirina Rajoelina. Hotanterahana in’io  fotoana io ny fifamindram-pahefana eo aminy sy ny filoham-panjakana nisolo toerana Rakotovao Rivo. Ity farany no hanao izany na dia voatondron’ny Lalampanorenana Malagasy aza fa tokony ny Filoha lanim-bahoaka, Rajaonarimampianina Hery no manao azy.

Tsiahivina fa taorian’ny nametrahan’ny filoha Rajaonarimampianina Hery fialana, efa nisy ny fifamindram-pahefana nataony tamin’Atoa Rakotovao Rivo.

Tsiahivina fa ny ampitson’io, ny asabotsy faha-19 janoary no hanao ny fihanianany eny Mahamasina ny Filoha vaovao, Andry Rajoelina.

Ny androtr’io no hampahafantatra ny Praiminisitra vaovao izy, raha tsy misy ny fiovana. Ny faha 22 ny volana janoary kosa farafahatarany no mety hijoro ny governemanta vaovao. 22 no ho isan’ny minisitera. Izany dia ho mariky ny fitsitsiana sahady. Aorian’izay, hiditra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa voarakitry ny vinam-piarahamonina IEM ny Filoha sy ny ekipa iray manontolo.