INSPNMAD : NAMOAKA PARAMED 321 AFAKA MIASA AVY HATRANY

Soratra : Rakotonirainy Andry

Notanterahana teny amin’ny Espace de Vert, Ambatomirahavavy, ny alakamisy lasa teo ny fanolorana mari- pahaizana Master II, hoan’ireo mpianatra Paramed 321 nivoaka tamin’ny sekoly ambony INSPNMAD. Misy mpitsabo mpanampy 131, mpampivelona 166, miandraikitra ny fiarovana ara – pahasalamana sy ny fitsaboana ny 15, manampahaizana misahana ny laboratoire miisa 9, ity andiany indray mihira ity. Afaka miditra amin’ny sehatrin’ny asa avy hatrany izy ireo, toy ny fananganana toeram-piasana mahaleo tena. « Matihanina avy hatrany ny mpianatra mivoaka ato aminay. Manome fahalalana feno azy ireo izahay. tsy mena mitaha amin’ny sekoly ambony hafa rehetra. Tanjonay ny mba  hialana amin’ny olona ateraky ny tsy fahampian’ny mpitsabo sy ny mpampivelona eo anivon’ny fiaraha-monina.« , hoy Ramatoa I. Marie Lucienne, lehiben’ny departemanta momba ny mpitsabo mpanampy.