FITANTANAM-BOLA MATIHANINA: MANAMBONINAHITRA ZANDARY MIISA 16 NAHAVITA FIOFANANA

Soratra : Rakotonirainy Andry

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, androany maraina,  teny Betongolo, ny manamboninahitra ambony zandary miisa 16, nianatra manokana momba ny fitantanam-bola. Tanjona ny hisian’ny fitantanana mahoby eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay, efa manana teti-bolany manokana ireo vondron-tobim-paritra miisa 22. Niompana tamin’ny fitantanam-bola eo anivon’ny zandary ny fianarana noratovin’ireto zandary manamboninahitra ambony ireto.  Nisy ampahany tamin’ny fianarana, natao teny amin’ny ENAM.

37000936_1995641217134036_978201144083873792_n

Araka ny fanazavana nomen’ny ny Général de Brigade KASSIMO Arona Basony, tale ny fitantanam-bola ny Zandary dia naharitra 14 volana ny fampianarana natao. Anisan’ny nianarana ny  mikasika ny Tsenam-barom-pirenena, sy ny fomba fitantanam-bola  amin’ny ankapobeny, ary ny mangaraharaha. Manana ny marim-pahaizana BAC+ 7 ireto manamboninahitra ireto ankehitriny,  raha toa bac+2 no nidirany voalohany teny amin’ny Akademia Miaramila, Antsirabe .