POLISIM-PIRENENA : HO BATAINA AVY HATRANY NY FIARA MIJANONA AMIN’NY LALAN’NY MPANDEHA TONGOTRA

 Andry Rakotonirainy

Naverina nanomboka androany, rehefa natsahatra,  ny asan’ny polisy mpisava ny taratasy ny fiara eny an-dalàna( Police de la Route). Araka ny fanazavana nomen’ny Tale kabinetra ny filaminanana anatiny, Commissaire Divisionnaire Aina Nirina Albert Estel dia  miavaka ny fomba fiasana manomboka izao » Nahazo fiofanana manokana avokoa ny polisy midina an-tsehatra. Hanana ny hampiavaka azy eo amin’ny ankanjo hanaovana. Manomboka anio ny  eto an-drenivohitra, afaka herinandro dia hiatrika ny fiofanana ihany koa ny polisy any amin’ny faritra hafa. Aorian’izay hiasa avy hatrany izy ireo », hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.

Momba ny taratasin-tsazy ( contravention) dia hiova tanteraka ihany koa izany. Ny trano fanotana boky an’ny fanjakana na ny  » Imprimerie nationale » no miandraikitra  izany. Afaka telo volana dia hiparitaka manerana ny nosy izany.  » Mialoha izay anefa, misy ihany ny taratasin-tsazy efa nomanin’ny Minisiteran’ny filaminana anatiny. azo ampiasaina tsara izy ireo ary tsy azo hatao hosoka. Voafetra ihany koa ny isa aty am-piandohana ka 1000   isakin’ny roa herinandro no havoaka. », hoy hatrany ny kaomisera  Aina Nirina Albert Estel.

Ankoatra izay, hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny kaominina momba ny fampiasana ny fitaovana fingiazana ny fiarea mijanona tsy ara-dalana eny amoron-dalana.  » Hisy koa ny fiaraha-miasa amin’ny Tafika Malagasy, mba ahazoana fiara lehibe, afaka mibata ny fiara mijanona amoron-dalàna rehetra. Manomboka izao dia tsy tokony hisy intsony ny fiara eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. », hoy ity manamboninahitra polisy ity namarana ny resaka.

Marihina fa ankoatra asan’ny polisy, misy ny takelam-by ahitana soratra fanentanana sy laharan’ny finday ahafahana miantso ny polisy.

Hiverina ihany koa ny laharana maintso, ahafahana miantso maimaim-poana 117.